Rehefa miatrika fifaninanana, misy hatrany ny torohevitra sy toromarika avy amin’ny mpanazatra. Mba tsy hisy hanao fahadisoana ny tsirairay rehefa eny ambony kianja. Voalohany amin’izany ny fahamalinana. Ny tsara fijoro tokoa mantsy tsy mba mianjera ary ny tsara famindra tsy mba solafaka. Fadiana ny mitratrevatreva fandeha na manao gadongadom-pamindra. Matoky tena ho mahery ka tsy malina. Tsy ny atleta ihany fa na ny mpitantana koa aza, tsy tokony higadongado-pandeha na hiteny vara-datsaka sy mamaly manao avo orona.
Misy tokoa mihevi-tena fa izy aloha no mitantana ka izay tiany no atao, izay tiany no aleha. Mahery tsy maody ê! Aza mitratrevatreva fandeha loatra. Tsy sarotra ny mandresy ireo mirodorodo famindra. Tandremo fa ny voay hanaikitra tsy mikoba-drano. Ny alika handramatra tsy mivovo. Ny areti-kamono tsy mirotoroto ary ny fahavalo hamono tsy mba ratsy vava. Koa aza dia mitratrevatreva fandeha fa Ramalina aza mifehy hazo tokana.
Mahavariana ny rehetra tato ho ato, mahita tomponandraikitra miditra ao anaty olan’ny ekipa. Misalovana amin’ny andraikitry ny sasany. Ka ny heverina hanjaitra no mandrovitra. Ny hanakambana no hampisaraka ary ny hanirina no mampivandravandra. Ny handamina no tonga mamorovoro ka aza dia mitratrevatreva fandeha ê!
Na inona zava-misy, ny heloka hibabohana mody rariny ary ny rariny hitompoana mody heloka. Aleo loha miara-misaina, tanana miara-mandray ary tongotra miara-mamindra toy izay hitratrevatreva fandeha nefa any an-kady no hiafarana. Mafy mantsy ny tsy misy saina toa an’i Gôliata, ka ny antsamotadin’i Davida kely no nampidaraboka azy, ka aleo manam-panahy milantolanto fihetsika.
Tompondaka




