Nahatrarana grenady sy basy : Roa lahy naiditra eny Tsiafahy

Mpidoroka rongony mahery vaika, “Métamphétamine”, sady mpihazona fitaovam-piadiana mahery vaika niara-naiditra eny Tsiafahy, ny alakamisy 3 jolay teo.

Niakatra fampanoavana ny alakamisy 3 jolay teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo roa lahy nahatrarana fitaovam-piadiana teny Atsimondrano. Naharay angom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Nosavaina ny tranon’ny lehilahy iray teny Ampitatafika. Na­hitan’ny polisy fitaovana fidorohana “Métamphétamine” niampy fitaovam-piadina toy ny basy poleta sy grenady tao amin’io lehilahy io. Midoroka sady mivarotra ireo karazan-javamahadomelina ireo io lehilahy io. Nogiazana avy hatrany ireo fitaovam-piadiana ireo. Natao fanadihadiana, nitoroka ny lehilahy iray hafa namany ilay voasambotra.

Fitoeram-bala

Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, vaosambotra ny lehilahy iray hafa mpiray tsikombakomba tamin’ilay tratra tao Ampitatafika. Mpanome fitaovam-piadiana an’ilay namany io voasambotra faharoa io. Ahina ho miray tendro amin’ny fanaovana asa ratsy izy roa lahy. Nahatrarana fitaovam-pamahanana basy “boite chargeur” natokana ho an’ny basy poleta tao amin’ity farany. Niara-natolotra ny fampanoavana, ny faran’ny herinandro teo, izy roa lahy. Voatazona any Tsiafahy miandry ny fo­toam-pitsarana azy. Marihina, anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana, indrindra eto an-dRenivohitra, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny fitaovam-piadiana. Manao izay ho afany ha­mongorana ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: