Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsirabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomanelatra. Nifandona ireo mpanara-dia sy ny dahalo tao amin’ny kizo Andrangaranga, fokontany Miarinarivo, kaominina Mandritsara, distrikan’i Betafo. Nitifitra tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo olon-dratsy. Namaly tifitra ny mpitandro filaminana. Voan’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpandroba. Namoy ny ainy ireto farany. Latsaka teny amin’izy ireo ny fitaovam-piadiana toy ny basy poleta. Tafaverina koa ny omby miisa roa. Nahatrarana sakaosy nisy fotsim-bary sy vola teny amin’ireo dahalo. Vatsy nokasain’izy ireo entina hanatanterahana ny asa ratsiny io sarona io, araka ny famotoran’ny zandary.
Tsiferana R.




