Randriamiandrisoa Jessica : 17 taona monja, efa mpitsara rezionaly

Randriamiandrisoa Jessica, tovovavy 17 taona, miangaly ny taranja Taekwondo any Frantsa. Fantatry ny maro ary manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny Taekwondo ny rainy, Randriamiandrisoa Nicolas, na i Nicolas Ragonz. Nanahaka azy ity zanany vavy ity. Marihina fa roa vavy ny zanany no manao Taekwondo, saingy i Jessica, ilay zanany faharoa, no tena nandalina sy niaina ity taranja ity.

Vao 3 taona monja Randriamiandrisoa Jessica dia efa nanao Taekwondo ary tena tiany ity taranja ity, raha ny nambaran’ny rainy. Tsy nijanona mihitsy izy nanomboka teo ary misongadina any Frantsa. Mpikatroka Sady mpitsara ity Malagasy milaravinahitra any Frantsa, eo amin’ny taranja Taekwondo, ity.

2è Dan Kukkiwon

Nahazo ny 2è Dan Kukkiwon i Jessica ny taona 2024, izany hoe, tamin’izy vao 16 taona monja. Efa novolavolaina an-taonany maro i Jessica ary mandray anjara hatrany amin’ ny fifaninanana any Frantsa, anisan’izany, ireny fifaninanana rezionaly ireny, izay efa voahosotra ho tompondaka izy tamin’izany. Teo ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa, izay handraisan’i Jessica anjara hatrany isan-taona. Matetika no miakatra “podium” izy amin’izany, raha tsy hitanisa afa-tsy ny nahazoany ny medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Poomsae na fihetsika mirindra, ny taona 2018. Torak’iza­ny koa ny nahazoany vokatra tsara hatrany rehefa miatrika fifaninanana hafa, toy ireny “Open” ireny. Anisan’ny natrehiny vao haingana ny “Open d’Orléan” izay nahazoany ny laharana fahatelo.

Mpitsara zandriny

Ankoatra ny maha mpikatroka azy, nanaraka fiofanana ho mpitsara ihany koa Randriamiandrisoa Jessica. Ny taona 2023, nahazo ny “Diplôme regional jeune arbitre” izy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, no nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana maro tsy maintsy lalovana ka anisan’ireny ny fahaizana mifehy ny solosaina amin’ny fanamarinana ny momba ireo mpikatroka. Eo koa ny fanaovana mpitsara an-jorony. Jerena avokoa ireo rehetra ireo ka raha mahafeno ny fepetra takina aminy dia afaka miditra amin’ny dingana faharoa indray i Jessica. Tsiahivina fa miisa dimy ny fiofanana atao vao tena mivoaka ho mpitsara matihanina. Tsiahivina fa vao 15 taona monja i Jessica tamin’izany fotoana izany no nahazo ity mari-pahaizana ity. Ankehitriny, lasa mpitsara rezionaly i Jessica, izay vao 17 taona monja. Tamin’ity herinandro ity no nametrahana azy ho mpitsara rezionaly, rehefa nahafeno ny fepetra rehetra nahazoana izany.

Sangany ao amin’ny Randriam Taekwondo.

Tany anaty klioba maro i Jessica no nanovo fahalalana teo amin’ny taranja Taekwondo ary ao amin’ ny klioban’ny rainy, ao amin’ny Randriam Taekwondo izy amin’izao no mikotrana sy manomana ireo fifaninanana rehetra ataony. Anisan’ny sangany ao amin’ity klioba izay natsangan’ny rainy, i Jessica ary saika misolo tena hatrany io kliobany io amin’ny fifaninanana avo lenta. Vao haingana i Jessica no nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa Poomsae. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Complexe Sportif St Sauveur any Lille. Teo amin’ny sokajy Junior no nisy an-dRandriamiandrisoa Jessica, izay nampiseho fahaiza-manao avo lenta tanteraka. Tsiahivina fa ankoatra an’i Jessica, nandray anjara teo amin’ny sokajy “cadette” i Axelle. I Lenny Gaborit kosa no teo amin’ny sokajy Sénior (U30), tamin’ity fifaninanana ity. Teo amin’ny Poomsae Games indray, nanana solontena ihany koa ny Randriam Taekwondo, tamin’ny alalan’i Tom Damien Savignac sy i Léa El Khour.

Nanangona: Miarintsoa.Raz

Partager sur: