Misongadina hatrany! Mbola mampiseho ny heriny amin’ny fifaninanana tenisy any Frantsa, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ny sokajy lehilahy, +35 taona, Rakotondramanga Antso, Malagasy mpilalao. Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa fanindroany indray ny tenany, rehefa nandavo an’i Louis Quennessen, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/3,6/2), nandritra ny lalao famaranana.
Azo lazaina ho mora ho an’ity Malagasy ity ny naka ny laharana voalohany, lalao telo ihany no hitan’ny mpifanandrina taminy, tao anatin’ny seta voalohany. Tsy nahazo afa-tsy lalao roa, teo anatrehan’i Antso, i Louis Quennessen, nandritra ny seta faharoa. Tsiahivina fa izy mirahalahy ireto no nanao famaranana tamin’ny taona lasa, ka azo lazaina fa tsy mbola afa-bela izany, i Louis.
Araka ny fikarohana natao, efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Akomba, ary nitondra avo ny Malagasy, Rakotondramanga Antso. Ny taona lasa teo, anisan’ireo nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana afrikanina “Davis Cup” ny tenany.
F.R




