Tontosa ny sabotsy 5 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana «Tournoi inter club par équipe», sokajy tanora, taranja échecs. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja échecs. Niavaka ity fifaninanana ity noho ny hamaroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 204 be izao. Ekipa 45 avy amin’ny klioba 17, ka avy eto Analamanga ny 16 ary avy any Alaotra Mangoro ny 1 kosa no nifaninana. Klioba nandray anjara ny Ayhay Chess Club, CEA, CCT, CGM, FRR, La Vallée Chess Club, Chess Club Moramanga, IKM Chess Club, Mon Futur Chess Club, Pion Passe, Bout D’chou, QCM, MCG, OHS, Cemi ary ny Farandole. Tsiahivina fa ny sokajy 10 taona hatramin’ny latsaky ny 14 taona no nifaninana ka azo lazaina ho nifandanja ireo mpikatroka.
Raha ny vokatra kosa, tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ho an’ny sokajy U10, CEA-1, raha toa ka ny CGM no faharoa ary ny IKM-2 kosa ny laharana fahatelo. Teo amin’ ny sokajy U12 indray, voalohany ny QCM, faharoa ny MCG ary fahatelo ny Cemi. Laharana voalohany teo amin’ny sokajy U14 kosa, ny FRR, faharoa ny CCT ary fahatelo ny IKM-1. Tsy nanadino nisaotra ireo niara-nientana nahatontosa ity fifaninanana ity ny federasionina, nahitana ny MJS, ireo klioba nandray anjara, ny ray aman-dreny, ny mpanentana, ny mpitsara sy ny tsara sitrapo ary ireo mpanohana maro be. Tanjona tamin’ity fifaninanana ity ny hanome sehatra ireo ankizy sy tanora manatalenta amin’ny taranja échecs ary hahafahan’izy ireo mampitombo ny fahaiza-manaony sy ny talentany.
Mi.Raz




