Naratra voadaroka ny tompon-trano : 40 tapitrisa Ariary voaroba teny Tanjombato

Very ny 40 tapitrisa Ar tao amin’ny fianakaviana iray, afakomaly alina, teny Tanjombato. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy ny raim-pianakaviana tompon-trano.

Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ahi­tana izany matetika ny eny amin’ny distrika Atsimon­drano. Nota­fihan’ny jiolahy miisa 12, misaron-tava sy mi­rongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray tetsy Ankady Tanjombato, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo, tamin’ny 11 ora. Ni­ditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano ny telo tamin’ireo jiolahy. Nanambana tamin’ny basy ireo lasibatra ny iray. Raha toa ka nanambana ta­min’ny sabatra sy kibay kosa ny olon-dratsy miisa roa. Niandry tany ivelany, nanara-maso ny zava-misy tany an-tokotany ny ambiny, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Naratra voadaroka

Nodarohan’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana (26 taona), izay tompon-trano, ka naratra mafy. Nataon’ireo jiolahy takalonaina ny renim-pianakaviana 26 taona sy ny zanany mbola kely. Mba hitakiana ny vola rehetra tao an-trano. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 40 tapitrisa Ariary sy ny finday manodidina ny 40 isa tao an-trano, raha ny angom-baovao hatrany. Tombanana hatramin’ny 3 tapitrisa Ariary teo ny tetibidin’ireo entana very ireo. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana tao an-trano. Mpandraharaha amin’ny orinasa fivarotana fiara eto Antananarivo ilay raim-pianakaviana voatafika io. Mivarotra finday etsy Soarano kosa ilay ramatoa vadiny. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ireo fianakaviana taorian’ny tranga.

Mino

Partager sur: