Tompon’antoka tamin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna ny vehivavy iray tratra teny Talatamaty, ny alahady 6 jolay teo. Roa lahy tratra niaraka tamin’ny basy sy bala.
Hiakatra fampanaovana anio ireo olona telo voasaringotra tamin’ny fivarotam-basy tsy manara-dalàna teny Talatamaty. Telo mianadahy niara-voasambotry ny zandarimaria avy eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty, ny alahady lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hivarotra fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna teny an-toerana. Nanao vela-pandrika izy ireo ka lehilahy nahatrarana basy poleta marika Petro Beretta 7,65 mm sy bala, tao amin’ny toeram-pisotroana tao Antehiroka. Nosaivana izy roa lahy saingy tsy nisy nahitana taratasy mirakitra ny mombamomba io fitaovam-piadiana io. Nilaza ho tsy mahay mahakasika io basy io sy ny niaviny ireo mpivarotra. Nivaky ireo farany fa nirahina izy ireo hivarotra io basy io. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’ny entana ny zandary.
Nialokaloka
Nentina teny anivon’ny tobim-paritra Talatamaty izy roa lahy sy ny fitaovam-piadiana. Nanao mora ny fahatrarana ny vehivavy iray izay voatondro ho nanome ny basy azy roa lahy. Atidoha tamin’ny famarotana io fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna io ilay vehivavy. Nikasa hialokaloka mangingina taorian’ny fahatraran’ireo namany izy. Niaraka nohazonina natao famotorana izy telo mianadahy alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana. Tsiahivina, anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahelamana indrindra eto an-dRenivohitra ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna tahaka ity tra-tehaka teny Talatamaty ity.
Tsiferana R.




