Anisan’ireo kintan’ny baolina kitra malagasy, nisongadina tany Seychelles, i Lolody. Nodimandry ny 4 jolay lasa teo moa ny tenany, nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo akaiky azy, mahakasika ny nahafatesany.
“Marobe” , anarana fiantsoana an’Itompokolahy, Malagasy mpanao baolina kitra, 31 taona, mpilaravinahitra tao Seychelles, zanak’i Toamasina avy ao Fenoarivo atsinanana. Betsaka ny resaka mandeha manodidina ny fahafatesan’ i Marobe Jean Claude fantatry ny maro mpitia kitra amin’ny anaram-bositra hoe “Lolody”.
Nindaosin’ny fahafatesana ny 4 jolay lasa teo, tao amin’ny hopitaly be Toamasina, izay nitsaboana azy noho ny aretina nahazo azy, nandritra ny fotoana fohy. Ho an-dramatoa, Jean Claude Jocyline, vady andefimandriny, mbola eny ambony fiaramanidina mitondra azy hanao fialantsasatra aty an-tanindrazana izy no efa nitaraina ho marary kibo manotika.
«Mbola tany Seychelles koa, dia efa miresaka aty aminay fa misy namany mikasa ny hamadika azy, ary nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly, misy anarana mpiara-milalao aminy no sady Malagasy noresahiny foana isaky mihetsika krizy ny tenany ka hatramin’ny nahataperan’ny ainy», fitantaran’ny vady andefimandriny, ramatoa, Jean Claude Jocyline.
Raha tsiahivina, ny 13 mey teo, tonga teto an-tanindrazana hiala sasatra ity mpilalao baolina kitra tanora mpilaravinahitra etsy amin’ny nosy Seychelles ity .
Nohamafisin-dRamatoa, Mamy Charlotte, renin’ny niharamboina, fa efa matetika izy miantso ary mitantara fa misy teratany malagasy klioba iray aminy, tsy faly amin’ny nahazahoany “trophé”-n’ny taom-pilalaovana 2024-2025 sy namindrana aminy ho kapiteny ny ekipa madritra ny taom-pilalaovana manaraka 2025-2026.
Raha vao tonga teto izy ka narary, efa nandidona azy fa tsy ho afaka hiverina any amin’ny klioba ilalaovany intsony izy ka izao tonga hatramin’ny fahafoizan’ny ainy izao. Ity farany izay mbola namerina ny fisian’ny anaran’ olona voatonotonona.
“Izany rehetra izany, efa nampitondra asa lohanay teto an-toerana, dia izao tokoa ny vokany fa ny zavatra efa noresahiny taminay nialoha nitranga izao”, hoy ny renin’i Lolody.
Niainga tamin’ny sekolin’ny baolina kitra sy fokontany
Notsiahivin’ny reniny, fa mbola teny anivon’ny sekoly EPP, efa tia baolina kitra, i Lolody. Anisan’ireo sekoly izay nolalovany ireto, EPP La Marne, Lycée Prince, Augagneur ary Prosper Andranomadio, saika izy hatrany no kapitenin’ ny ankizy manao baolina amin’ireny. Ny teo anivon’ny fokontany moa, dia matahotra ny mpifanadrina amin’ izy ireo, ny ekipa misy azy, raha vao tsy manao izy.
Ireny rehetra ireny, no nandraisan’ny sekolin’ny baolina kitra “Ny Antafana” azy ary nitohy tao amin’ny “Cefefia””. Isaky ny fifaninana baolina kitra tsy manara-drafitra, miara-milalao amin’ny “Fofifa” ekipan’ny fitsarana izy, raha ny nambaran’ny maitre Solofo Ginah, izay mpitaiza tanora sy ny zokiny amin’ny tontolon’ny baolina kitra.
“Efa azoko antoka fa ho lasa lavitra amin’ny filalaovana baolina kitra i Lolody”, hoy i Maitre Solofo Ginah, izay kapitenin’ny Poste fahiny ary mpikarakara lalao baolina kitra ho an’ ny veterans, ankehitriny.
Ireo rehetra ireo, nahitana fa manana talenta amin’ny baolina, i Morabe Jean Claude na Lolody ka nahatoga azy nalain’ ny As Adema, nitazona ny toeran’ny vodilaharana afovoany moa izy na havanana sy havia ary mahafehy ny hirakiraka mpiaro.
Efa nandrombaka ny tompondakan’Analamanga sy amboaran’i Madagasikara tamin’izy tao amin’ny AS Adema.
Tsy izay ihany fa niakatra hatrany ny fahaiza-manaony sy traikefany ka voaantso teo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasy U-20 sy “senior” ny tenany. Tsy nijanona teo ny fitsirihan’ny mpitia kitra azy ka nisy ny fifindran-toerana nataony, tao amin’ny Fosa Junior avy ao Boeny. Taorian’ izay voaantso hila ravinahitra tao amin’ny klioba F.C Anse Réunion any amin’ny nosy Seychelles, i Lolody.
Nomena voninahitra
Amin’ny akapobeany, noraisin’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina, ho andraikitra ny nampiditra ny razana tao amin’ny Dojo ny alin’ny sabotsy faha-5 jolay, izay niandrasana ny vatana mangatsiakan’ ity mpilalao andrarezin’ny kitra nanome lanja ny voninahitr’ i Toamasina ary indrindra ny firenena malagasy ity.
Noraisin’ny kominina avokoa ny fandaniana amin’ izany mandra-pivoahan’ny razana hanainga hihazo ny lalam-pirenena fahadimy ao amin’ny disitrikan’ i Fenoarivo Atsinanana, hatrany amin’ny fahatogavany amin’ny fasan-drazany.
Tsy niolaka tamin’ny andraikitra nampanaovin’ny Ben’ny tanana azy rahateo ny tale misahana ny fanatanjahantena anivon’ny kaominina, Mahefa Flavien, izay mpanao baolina kitra rahateo ary efa mpiara-milalao tamin’i Lolody teo aloha. “Azo lazaina ho very olo-mangan’ny baolina kitra isika, ireny no vokatra novokarin’ny sekolin’ny baolina kitra teto amintska ka hisitonana hafatra hatrany amin’ny mpandraharaha mba hanamafy fanohanana ireny sekolin’ny fanatanjahantena ireny, baolina kitra, basikety sy ny maro hafa”, hoy ny tale misahana ny fanatanjahantena anivon’ny kaominina.
Sajo




