Dahalo iray azo sambo-belona ary iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny miaramila tao amin’ny kaominina Ankililoaky, distrikan’i Toliara II, ny alatsinainy 7 jolay teo. Omby miisa 19 nalain’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ankiliabo, ny alin’io andro io. Dahalo manodidina ny 15 lahy niaraka nanao ny fandrobana. Nanao fanarahan-dia avy hatrany anefa ny tompon’omby sy ny vatan-dehilahy sasantsasany tao an-tanàna. Nanampy azy ireo ny mpitandro filaminana. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo ka sahy namaly tifitra ny mpanara-dia azy. Raikitra ny fifandonana. Maty voatifitra nandritra izany ny iray tamin’ireo mpangalatra omby. Voasambotra velona kosa, ny namany iray hafa. Miisa dimy ny omby latsaka teny amin’ireo mpandroba tamin’io fotoana io. Nentin’ireo dahalo nandositra ny 13. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny fokonolona. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha. Miseholany indray tato ho ato ny halatra omby tao amin’ny faritra Atsimo.
Tsiferana R.




