Lonilonim-piarahamonina : Tovolahy nalaina an-keriny sy novonoina

Lasibatry ny fakana an-keriny ny fianakaviana mpandraharaha iray monina eny Iavoloha. Niafara tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo (14 taona) izany. Ny 20 jona lasa teo, nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tany Ambohi­tsara Manakara, 10 km miala an’i Irondro ny fiara nisy ny raim-pianakaviana iray (mpan­draharaha) sy ny zanak’anadahin’ny vadiny. Tsy afa-nandositra satria ratsy ny lalana ary efa hariva ny andro. Nambanana tamin’ny basy ary nalaina an-keriny izy ireo. Nitaky vola 400 tapitrisa Ariary tamin’ny dadan’io raim-pianakaviana io ny olon-dratsy, mba ho famotsorana ireo babo. Navotsotry ilay mpandraharaha tamin’ny 27 jona, rehefa nandoa 80 tapitrisa Ariary ny fianakaviana. Tsy nahandry ny fanampim-bola ireo dahalo fa nampilaza ny toerana misy ny fatin’ilay tovolahy azo babo ny 28 jona. Hita faty tany Ambohi­tsara izay toerana nakana an-keriny azy ireo ihany io tovolahy io. Nisy nanafika ny trano fonenan’izy ireo tamin’ny oktobra 2024 lasa teo. Very tamin’izany ny vola sy ny entana maro. Naka alika mpitsongo dia ny fianakaviana lasibatra ny maraina. Nijanona teo amin’ny tranon’ny mpiambina ny trano taloha sy ny mpanao trano anefa ilay alika. Nanao­vana fanadihadiana ny olona enina ary naiditra vonjimaika am-ponja ny telo. Afaka ma­dio­dio avokoa anefa izy rehetra ireo rehefa niakatra fitsarana ny raharaha. Noho ny tahotra, tsy sahy nanao fitaraina tany amin’ny manam-pahefana ny fianakaviana, raha tsy efa tafaverina soa aman-tsara ilay mpandraharaha. Miantso ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana ny fianakaviana mba hijery sy hamaha izao olana iainanan’izy ireo izao.

Mino

Partager sur: