Youthconnekt 2025: Hitohy any Antsiranana indray ny hetsika

Taorian’ny faritr’i Fianarantsoa, hitohy any amin’ny faritr’i Antsiranana indray,
ny hetsika lehibe ho an’ny tanora “Youth Connekt 2025”.

Araka ny vaovao voaray, hotanterahina manomboka ny 12 jolay ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soafeno, ity hetsika ity. Marihina fa miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah, sy ny tetikasa Fihariana, ary tohanan’ny Unicef Madagascar sy ny UNFPA Madagascar ary ny Pnud. Tsara marihina fa maro ny lohahevitra horesahina amin’ity hetsika ity, ary entanina ireo tanora, mba hanatrika izany.
Ankoatra izay, nahatratra 400 mahery teo ireo tanora, avy any amin’ny faritra enina, izay niatrika ny fampiofanana Youth Connekt, tao Fiana­rantsoa, ny 2 hatramin’ny 5 jolay lasa teo.
Ampatsiahivina ihany fa natao hanomanana ilay fihaonambe ny tanora eto Afrika, “Youth Connekt Africa Summit 2025”, izay hatao eto Mada­ga­­sikara, ny volana novambra ho avy izao, ity hetsika ity.

Fitia Randria

Partager sur: