Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha sy tava izy roa lahy. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ny iray raha toa ka voa mafy koa ny nifanandrina taminy. Nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana tao Tambohobe izy roa lahy. Tsy tana ny ain’ny iray. Mitohy kosa ny fitsaboana an’ilay nifandratra taminy. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana aorian’ny fandevenana ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: