Voasambotry ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ ny fitaovam-piadiana ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra tao amin’ny fokontany Tsenakely, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, ny 6 jolay teo. Nitondra basy PA ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’io raim-pianakaviana mpisehatra amin’ny varotra io, ny tolakandron’ny 4 jolay tamin’ny 1 ora. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpanao ratsy. Nametraka fitarainana teny anivon’ny biraon’ny tobim-paritra Imerintsiatosika ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza taorian’ny angom-baovao ny zandarimaria. Roa lahy monina tao Mahalavolona, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana voatonona anarana ho tomponantoka tamin’io fanafihana io. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tratra ny lehilahy iray izay nihazona fitaovam-piadiana vita malagasy sy tranom-bala “calibre 12”. Nentina natao famotorana izy roa lahy ireo ary nogiazana ny basy. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana lalina atao azy ireo roa lahy. Karohina ny mpiara-miombon’antoka amin’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto.
Tsiferana R.




