Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihetsik’io olon-dratsy io. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Nitsoaka namonjy tanimbary nikasa hiampita amin’ny tanàna hafa ilay mpandroba. Tratra ity farany. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandary miasa ao Ambohijanaka. Atao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana. Mirongatra ny hala-boty ateraky ny hamaroan’ireo olona tsy an’asa indrindra eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana.
Tsiferana R.




