Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Coupe Internationale de Tanà”, taranja karate. Efa tonga daholo ny vahiny nasaina ary maherin’ny 400 ny mpikatroka hifaninana.
Fifaninanana iraisam-pirenena sambany ho an’ny tantaran’ny karate malagasy ity “Coupe Internationale de Tanà”, hanomboka anio 11 jolay ary haharitra hatramin’ny 13 jolay ity. Voalohany izao no mikarakara fifaninanana nanasana mpikatroka vahiny ny Federasionina ny Karate-do Malagasy ary maherin’ny 400 ny handray anjara. Efa nigadona an-tanindrazana, omaly, avokoa ny delegasionina vahiny, avy any Frantsa, Mayotte, La Réunion ary vonona ny hifanandrina amin’ny Malagasy mpikatroka. Misokatra ho an’ny klioba nasionaly sy iraisam-pirenena rehetra ity fifaninanana ity, izay natokana ho an’ny mpikatroka 6 hatramin’ny 17 taona. Fifaninanana eo amin’ny Kata sy Kumite ho an’ny sokajy U8, U10, U14 ary U17 no hitranga mandritra ny 3 andro, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa vao avy niatrika fampivondronana nandritra ny 4 andro ny karatekas malagasy, latsaky ny 14 taona, ny herinandro lasa teo ary handray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo ity ny ankamaroan’izy ireo. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena toy izao ary indrindra hahafahan’izy ireo misolo tena an’i Madagasikara any ivelany ho an’ny fifaninanana natokana ho an’ny latsaky ny 14 taona.
Marihana fa efa nialohavan’ ny fiofanana matihanina, nomen’ny Sensei Ramilijaona Dani izao “Coupe Internationale de Tanà” izao, ny 9 jolay lasa teo. Teny amin’ny Petit Palais Mahamasina no nanaovana ity fiofanana ity ka nizara roa izany: nisy ny natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona ary nisy ihany koa ny natokana ho an’ny 14 taona miakatra sy ny olon-dehibe. Aorian’izao fifaninanana izao, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Nizeria, i Madagasikara.
Mi.Raz




