Fampiofanana mpanao gazety ara-panatanjahantena: Miezaka miompana amin’ny resaka niomerika ny fifampizarana

Mivoatra ny asa fanaovan-gazety. Nisongadina tamin’ny fiofanana natao tetsy Antanimena ny firosohana ny vaovao niomerika. Tsa­pa sy hita izany ankehitriny, ary sa­my mahatsapa ny maha zava-dehibe an’ity fifampizarana ity ireo mpiofana.

Hifarana anio, etsy amin’ny orinasa Ultima Media, Antanimena, ny fampiofananana mpanao ga­zety ara-panatanjahantena. Miisa sivy mianadahy, roa vavy sy enin-dahy, avy amin’ ny orinasa mpikirakira vaovao samihafa no manatrika izany. Samy nilaza ny mpiofana fa zava-dehibe tokoa ity fiofanana ity satria miompana amin’ ny resaka niomerika sy fanentanana ireo mpanao gazety hiroso amin’izany sehatra izany ny fiofanana.
Araka ny fanehoan-kevitra azo avy amin’ireo mpandray anjara, efa resy lahatra avokoa izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny vaovao hampitaina amin’ny fomba niomerika ity. Eto Madagasikara, ny tam­bajotran-tsera­sera Facebook dia fomba mora sy tsotra hahafahan’ny maro mizara ny vaovao, saingy noresahina nandritra ny fiofanana fa misy amin’izy ireny, tsy manaraka ny fenitra takin’ny asa fanaovan-gazety ka tokony hitandreman’ireo mpamaky. Naharitra herinandro teo ny fiofananana, ary mikarakara ny hetsika ny Média Francophones sy ny Geppim. Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy an’ity fiofanana ho an’ny mpanao gazety mikirakira vaovao an’ ny tontolon’ny fanatanjahantena ity tamin’ny taon-dasa.

Tokony hataon’ny gazety an-tsoratra

Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny, niezaka nifampizara ireo tokony hataon’ny gazety an-tsoratra ireo mpiofana sy ny mpizara traikefa. Anisan’ny tena nahaliana tamin’izany, ny fanovana ny endriky ny vaovao aseho amin’ny gazety, ny vaovao izay zaraina ao anatin’izany. Tsy izay ihany, fa nanome torolalana amin’ny fandrakofana ireo lalao goavana toy ny fifaninanana nasionaly taranja baolina kitra sy ny fomba tsotra famoahana ny fiainan’ny mpilalao, entina hisarihana ireo mpamaky, ny mpitarika ny fiofananana.
Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao rehefa mitrandraka vaovao eny anivon’ireo sehatra ambony toy ny rafitra federaly, ny ligy, ny klioba, ny ekipam-pirenena.

Nilaza ny heviny ireo mpanatrika

Rasanda Serge, filohan’ny fikambanana mpanao gazety ara-panatanjahantena UJSM, teo aloha :
Efatra andro izay no vita, maro ny zavatra noresahina, saingy ny teboka hitako tena nampiavaka izany, ilay famelabelarana miendrika fanentanana amin’ny firosohana ny gazety an-tsoratra mankany amin’ny ana habaka « en ligne ». Marihina fa tsy azo ialana intsony ity sehatra iray ity, aoriana kely eo satria somary mila volabe kokoa ny an-tsoratra noho ny amin’ny tambajotran-tserasera. Ary efa betsaka ireo orinasa mahatsapa sy mihezaka miditra amin’ity sehatra nomerika ity.
Nohamafisiny hatrany fa ny fivoaran’ny teknolojia, mampirisika ny tsirairay hiditra amin’ity fomba fiasa vaovao sady tsotra ity.
« Efa hita amin’izao fotoana izao, fa efa mivelatra ilay izy », hoy hatrany ity mpikirakira vaovao iray eto Mada­gasikara ity.
Tsara ny mampahafantatra fa mpanao gazety iray efa voky traikefa, amin’ity asa ity, Rasanda Serge. Efa nanao ny fandrakofana ny fifaninanana iraisam-pirenena maro izy, toy ny Lalao Olympika, tany Paris 2024, ny Londres 2012 ary ny Pekin 2008. Ny taona 2003, efa nizara ny vaovao nandritra ny lalao Afrikanina, tany Nigeria, sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tanin’ny Taekwondo, natao tany Greece, ihany koa izy.

Fitia Randria na Randriamamonjy Fitia Valiniaina, mpikirakira vaovao ara-panatanjahantena amin’ny gazety Taratra :
Maro ny lesona azoko notsohaina tamin’ity fiofanana ity, ary azoko entina ho anjara biriky hampandrosoana ity asa ity izany. Mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka ny tenako, ary efa mahatsapa sahady aho, fa ilaina tokoa ny fiofananana tahaka izao, indrindra mahakasika ny niomerika. Efa maro dia maro moa ireo olona misehatra amin’ny fampitam-baovao amin’ireny tambajotran-tserasera ireny, saingy misy amin’izy ireo no tia mizarazara fahatany fotsiny .
Ankoatra izay, mbola manantena ny tenany, fa samy hiroborobo avokoa na ny gazety an-tsoratra na ny nomerika, rehefa miampy hatrany ny fiofanana tahaka izao. Manentana ireo namana, mba hanatrika ny fiofanana tahaka izao, satria zava-dehibe ny manampy ny traikefa indrindra amin’ity asa fanaovan-gazety ity.

Nanatontosa : Fitia Randria

 

Partager sur: