FTF Tournament 2025 : Hetsika atao hampiray an’Antananarivo

Handray endrika tsy mbola nisy hatramin’izay ny tontolon’ny baolina kitra an-dReni­vo­hitra manomboka amin’ny 17 aogositra hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Nam­baran’ny Team FTF, omaly, fa hiroso amin’ny andiany voalohany amin’ny “Fokontany Tour­nament and Fiesta” izy ireo. Hetsika goavana mikendry hampivondrona ireo fo­kontany amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy lanonana ara-kolontsaina izany.
Ekipa 60 no andrasana amin’ity fifanintsanana ity. Anisan’ireo hasaina amin’izany ny ekipa avy amin’ny distri­kan’Antananarivo Renivohitra, ny eny Atsimondrano ary ry zareo avy any Avaradrano. Izany hoe, klioba 20 isaky ny distrika no andrasana amin’ity.
Tanjona iray amin’izany ny hanomezana sehatra ho an’ireo tanora mpiangaly baolina kitra hanehoan-dry zareo ny talentany ary koa hanangana rohim-pihavanana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena madio ary hampanjakana indrindra ny resaka «fair-play».
Hampiatrano ireo lalao rehetra ireo, ny kianja eny Bemasoandro Itaosy sy ny etsy Betongolo eo amin’ny miaramila. Tsy ny fifaninanana baolina kitra ihany anefa no handeha amin’io fotoana io, fa hisitraka hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto maimaimpoana ihany koa ny mpijery sy ny mpanatrika ny “FTF Tournament 2025”.

F.R

Partager sur: