Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy nivarotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny zanaky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka nanomboka nandeha lalana anaty ala, narahin’ny olon-tsy fantatra izy ireo. «Efa nahatsikaritra ny fisian’ireo olona izy telo saingy tsy nanampo na inona na inona», hoy ny loharanom-baovao. Nandrasan’ ireo efa-dahy ho tafiditra tsara tamin’ny toerana mangingina ireo mpivarotra. Namoaka antsy avy hatrany izy ireo. Nanambana ilay raim-pianakaviana sady nitaky ny vola azony nandritra ny varotra. Tsy nanaiky ilay lasibatra ary nanohitra. Voatsatok’antsy ny tarehin’ io lehilahy io ary nisy rovitra vokatry ny fandratrana nataon’ ireo mpandroba. Nodarohin’ ireo tsy valahara tamin’ny totohondry koa ny ramatoa vadin’io rangahy io sy ny zaodahiny. «Tsy nisy ny vola voaroba saingy nentin’ireo olon-dratsy ny fitaovana fampiasa amin’ny varotra toy ny vilany», araka ny fanamafisan’ny zanak’izy mivady. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ny naratra.
Tsiferana R.




