Analamahitsy : Vehivavy tera-dahy teny an-dalana

Latsaka nanoloana ny kaomisarian’ny Polisy Analama­hitsy ny zanaky ny renim-pianakaviana iray, omaly. An-dalana handeha hihazo ny toeram-pitsaboana fa ho teraka io vehi­vavy io sy ny fianakaviany. Efa naneho fihetsika hafahafa ilay renim-pianakaviana vantany vao niala tany an-trano. Tsy tanàny intsony ny kibony ka naka sisiny teo amin’ny tambohon’ny polisy io bevohoka io. Nalatsany ilay zaza ka teraka zazalahy soa aman-tsara izy. Nifanampy tamin’ny fianaka­vian’ilay zazavavy izay nanatri-maso ny fiterahan’io vehivavy io ny polisy eo anivon’ny CSP8. Nampiasaina avy hatrany ny fiaran’ireto farany ka nentina nihazo ny hopitaly Befalatanana ilay tera-bao sy ny zanany. Tsy nisy nahiana ny fahasalaman’izy mianaka. Tsy mijanona fotsiny ihany amin’ny fiaro­vana ny vahoaka sy ny fananany ny polisy. Manampy ny mpiara-belona eny anivon’ny fiarahamonina tandrify azy koa, izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: