Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g

Vato sarobidy (rubis) mi­lanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bang­kok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa amin’ny Agence nationale anti-fraude (ANAF) rehefa nandalo teo amin’ny «body scan» io lehilahy ahina io. Nohamarinina izany ary no­samborina avy hatrany izy. Noentina teny amin’ny Hopi­taly miaramila ity teratany thailandais ity taorian’izay, na­moahana ireo harena an-kibon’ny tany tao anaty vatany ireo. Nahatratra 54 isa ireo vato sarobidy nalaina tao aminy izay milanja 59,3 gra­ma. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nateliny ireo vato ka nahazo toerana tany amin’ ny fitombenany, raha ny fanazavana voaray. Miatrika fanadihadiana lalina ao amin’ny biraon’ny fadin-tseranana etsy Antanimena io olon-dratsy io amin’izao fotoana izao.
Efa maro ireo teratany tra-tehaky ny mpitandro filaminana saika hanondrana harena sarobidy hivoaka an’i Mada­gasikara. Nalefa eny amin’ny amin’ny fonjam-ben’i Tsiafahy avokoa izy ireo. Tsiahivina, ny 7 marsa lasa teo, teratany Indiana iray tratra tamin’ny nitondra vovo-bolamena miisa efatra, izay nataony tao anaty vilia tanimanga.

Mino

Partager sur: