Ampanefy: Jiolahy miisa 10 nandroba tokantrano iray

Ahitana fanafihana mitam-piadiana matetika eny amin’ny distrikan’Antsimondrano tato ho ato. Nidiran’ny jiolahy an-keriny, manodidina ny 10, ny tokantranon’ny vehivavy iray tetsy Malaho, kaominina am­banivohitra Ampanefy, ny alin’ny sabotsy 12 jolay 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina lasa teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, mbola nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy ihany koa. Niakatra teny ambony fefy ary notapahan’izy ireo ny tariby aron’ny fefy. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanambana basy ny tompon-trano. Nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Lasa tamin’izany, ny vola 500 000 ariary, finday Android miisa 10, fakan-tsary ary fahitalavitra fisaka iray, raha ny fanazavan’ny niharam-boina. Voadaroka teo amin’ny handriny ilay vehivavy tompon-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’ny asa ratsiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana. Efa nanao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia saingy tafaporitsaka avokoa ireo mpanao ratsy.
Marihina fa nitrangana fa­nafihana mitam-piadiana in­droa misesy ny teny amin’ny disitrikan’Antsimondrano tao anatin’ny herinandro. Tsy fantatra mazava ny tena antony mampirongatra izany. Mano­loana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny disitrikan’ An­tsimondrano, miantso ny tomponandraikitra ny mponina, mba hijery sy handray andraikitra manoloana izao tranga mateti-piseho izao.

Mino

Partager sur: