Lasa hatramin’ny papay : Mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina

Tsy mifidy hangalarina intsony… ! Koveta, siny, bidao anatazana ranon’olona na papay maniry eo an-tokotany aza lasan-dry zalahy. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, omaly. Tsy laitra iainana intsony ny tsy fandriampahalemana.

Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-piadiana raha tsy iresaka intsony ny fanendahana sy halatra isaky ny alina. Ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy, tao amin’ny fokotany Ankirihiry parisela 11/55, nandritra ny fahatapahan’ny herinaratra, nandihizan’ny jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray. Renim-pianakaviana sy ny zanany vavy irery no tao an-trano. Tsy sakana tamin’ ireo jiolahy ny hamafin’ny lakoro sy ny hidin-trano fa tafiditra ihany ry zalahy. Vokany tafiditra ihany ireo jiolahy izay efa vonona tamin’ny jiro fanao am-paosy, miampy matraque napoapoaka manerana ny efitrano hany ka tsy afa nihetsika sy namaly izy mianaka. Norahonana mba hamoaka vola ka namoaka lelavola 15 tapitrisa Ar. No­lazain’ireo olon-dratsy fa mbola tsy ampy ka norahonany haolan’ izy ireo ny zanany vavy na izy reniny. Tsy sahy indray ireo jiolahy ka nandroaka izay tiana entina, finday, famantaran’ora amin’ny tanana sy mipetaka ain’ny rindrina, firavaka volamena kojakoja tao an-dakozia.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray manao ny asany andavanandro maka henan’omby tao amin’ny labatoara, vao omaly maraimbe, no norobaina andian-jiolahy. Nihevitra ireo andian-jiolahy fa mitondra vola ity raim-pianakaviana mpividy ilan’omby ity. Vokany, tsy nahitana afa-tsy vola
10 000 Ar tamin’ ilay rangahy ka nanalan’izy ireo hatezerana. Nodarohan’ireo jiolahy izy ka naratra.
Tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Analakinina hopitalibe ihany koa no nidirana mpangalatra. Tsy afaka nanokatra varavaran-trano ireto andian-jiolahy tamin’ ity hany ka siny sy koveta ary bidao, izay nanatazana ranon’ orana teo an-tokotany no tsy nisy niaingana fa lasa daholo. Notapahin’ izy ireo ihany koa ny papay maniry eo andakoro ka nalain’ izy ireo dahol

Sajo/J.C

Partager sur: