Maro raha hita tokoa eto Madagasikara ! Tena hoe tsy hay intsony izay asiana ny tongotra na hiankavia na hiankavanana. Raha mianatsimo mahazo kiana, mizotra miankavanana voarabiraby, raha mianandrefana toa latsalatsaina, raha miantsinanana moa dia voaompa mihitsy. Sarotra tokoa ny miaina amin’ny zava-misy, ankehitriny. Raha kelikely vovokaina aloha dia tapitra andro tsy lera.
Mila olona mafy toto, mahazaka ny tsindry isan-karazany raha te ho ela velona amin’izao fotoana izao. Izay miseho rehetra dia tsy misy mijery amin’ny fomba fijery miabo intsony. Mora mivilana sy mivadika ny resaka ary tena mandaitra any amin’ny aty fanahin’ilay sarababem-bahoaka ilay fahalovana. Tena mampiteny ny tsy mahay miteny tokoa ny fomba fisainan’ny sasany.
Raha ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao dia mampanontany tena mihitsy. Sanatrian’ny vava, voaozona izany ilay Malagasy. Tsy afaka ny mivoatra araka ny tokony ho izy fa gejain’ny aloka maintin’ny onja miiba hatrany. Tsy mba afaka ny hisaina anaty fampiovarana afaka miketrika izay hifampitotonganana. Samy mitady hirika amin’ny handavoana izay azo halavo.
Asa mety noho ny fahantrana ve? Tsy tokony hatao fialana ilany hanaovan-dratsy ny vesatry ny andavanandrom-piainana izany. Ireny indrindra aza no tokony ho fanoitra ahafahana mihary ara-drariny mba hiotazana voka-tsoa ho an’ny isan-tokantrano. Tsetsatsetra tsy aritra ihany moa izay, fa miankina amin’ny tsirairay ny fandraisany safidy na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy koa.
Fahasoavana homen’Andriamanitra rahateo ny olombelona ny fahafahany misafidy. Asakasak’izay hirona kokoa any amin’ny fahalovana sy ny faharesena lava ireny. Samy mijinja izay afafiny foana anefa. Ilaina fotsiny ny fahazakana izay mipoitra eo tsy hanimba ny hafa indray.
r.r




