Ankizivavy 13 taona, monina ao amin’ny fokontany Andramasina, kaominina Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, karohin’ny ray aman-dreniny nanomboka ny 13 jolay teo. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Miarinarivo ny rain’io zaza io, ny alahady 13 jolay teo. Nipetraka tamin’ny olona izay fianakavian’izy ireo ihany, tao Miarinarivo ny zanany vavy, nanomboka ny volana jona lasa teo. Nitrangana fahavererana vola mitetina 6 tapitrisa Ar tao amin’io tokantrano nipetrahan’ilay ankizivavy io. Nametrahan’ny tompon-trano ahiahy avy hatrany izy, araka ny fitantaran’ny rainy izay nanao ny filazana fahaverezana teny anivon’ny manam-pahefana. Tsy hita intsony io ankizivavy io nanomboka teo ary tsy naharenesam-baovao. Lasany nanaraka azy koa, ny fanalahidin’ny trano. “Mitohy ny fitadiavana io ankizivavy io amin’izao fotoana”, hoy ny fanazavan’ny kaomadin’ny tobim-paritra Miarinarivo. Tsiahivina, fanaon’ny ankizy tato ho ato ny mandositra miala ny tranon-dray aman-dreniny rehefa misy olona mitranga. Ditra tsotr’izao na ihany koa, tahotry ny ho bedy ka lasa manaotao foana ireo zaza.
Tsiferana R.




