Mahasarika tanora maro ny manaraka ny lalam-piofanana teknika amin’izao fotoana izao. Tia mandranto sy mamolavola ny teknolojia vaovao ireo mpianatra ka antony mahatonga azy ireo liana, raha ny fanadihadiana natao.
«Matetika ny ray aman-dreny no manakana ny ankizy tsy hanaraka io lalam-piofanana teknika», hoy ny mopera tomponandraikitry ny Lycée technique général industriel eo anivon’ny kolejy Masina Misely Amparibe, Rambatoson Eckstein Raymond, raha nanaovana fanadihadiana. Nambarany fa miankina amin’ny teknika avokoa anefa ny zavatra rehetra atao eto ambonin’ny tany. Efa mivoatra ny zava-misy ary ampiasaina teknika avokoa ny ankamaraon’izy ireny. Misafidy ny hanaraka lalam-piofanana teknika ny ankizy satria mora ahitana asa izany aorian’ny fahavitana fianarana. Maro hisafidianana ihany koa ny fianarana any ary betsaka ny asa azo atao mifandraika amin’izany. Misafidy ny hianatra amin’ny sampam-pianarana teknika ny mpianatra rehefa afaka fanadinana BEPC. Maharitra telo taona ny fampianarana. « Tena marisika ny ankizy satria tiany ny fampianarana. Mila olona hampirisika sy hanampy azy amin’ny hetahetany sy ny faniriany izy ireo”, hoy ny tomponandraikitra. Tsy maintsy fohazina izay hetahetany izay amin’ny alalan’ny fianarana. Zava-dehibe ny mampiseho fa vita malagasy ny asa natao. Somary manahirana ny fiantraikany eto amin’ny firenena satria ny sampana teknika dia tsy misy mpijery fa ezahina ny hampivoatra ny fampianarana teknika.
Miankina amin’ny teknika ny zava-drehetra
Manodidina ny 15 isa ny taranja ianaran’ny ankizy eny amin’ny teknika. Misy ny fianarana asa ataon’ny ankizy. Misy ny fotoana fampiharana. Miainga amin’ny fifehezana ny matematika sy fizika ny fampianarana ny taranja fototra. Malalaka amin’ny safidy tiany ny mpianatra ka mamolavola ny zavatra kasainy atao ary manatanteraka izany. Manara-maso sy manome torohevitra fotsiny sisa ny mpampianatra.
Mivoatra sy hita ny fitiavan’ny ankizy ny lalam-piofanana teknika. Anisan’izany ny mahakasika ny robotika sy ny mekanika. Misy ireo mpianatra nahavita nanamboatra sy namokatra cross car. Teo koa ny tetikasa famokarana “barrière” ilaina any amin’ny orinasa mba ahafahana manamarina ny fotoana hidirana sy hiravan’ny mpiasa tsirairay. Voafehy amin’izany, ny fotoana nahatongavan’ny olona eo anivon’ny orinasa iray. Ankoatra izay, misy ny tetikasa takela-jiro fampiasa amin’ny fifamoivoizana sy ny maro hafa. Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ireo ankizy mampihatra ny fianarana nataony tany an-tsekoly. Apetraka eo anivon’ny sekoly io fitaovana novokarina ireo, raha ny fanazavana nataon’ny mopera tomponandraikitry ny teknika eo amin’ny kolejy Masina Misely manokana. Manampy akaiky ny mpianatra ny mpampianatra ary miverina isaky ny alarobia sy sabotsy hariva ho fanaraha-maso. « Manao ny famolavolana sy ny fanatanterahana isan-karazany ny zavatra tiany ataony ny mpianatra. Sakana ny fanampiana ny teknisianina eto amintsika », hoy ny mopera Rambatoson Eckstein Raymond. Voizina hatramin’ izay ny fampianarana ankapobeny fa ankehitriny, entanina ny ankizy mba hianatra aty amin’ny sekoly teknika.
Tia manaraka lamina ny ankizy teknika
Maro ny mpianatra tia mandranto ny fianarana ankapobeny, raha oharina amin’ny teknika. Miavaka ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana teknika raha oharina amin’ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana ankapobeny, raha ny fanazavana voaray ihany. Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny eo amin’ny lafiny toe-tsaina. Tia mampihatra ny zavatra nianarany, tia manaraka fitsipika sy lamina ihany koa rehefa hanao zavatra iray mba tsy ho diso ny zavatra atao, raha ny nambarany ihany. Mahavita sy mahay ny Malagasy ary lasa mampihatra ny fianarana noratoviny any ivelan’i Madagasikara avokoa anefa ny ankamaraon’ireo tafita fianarana. “Tokony hiverina sy hijanona eto an-tanindrazana hatrany anefa ireo tanora nahavita fianarana. Mba hanatevin-daharana sy hanatsara ny vita Malagasy”, hoy ny tomponandraikitry ny lycée teknika izy.

Nahavita famoronana maro
Nandritra ny fotoana nisian’ny teknika teo Amparibe, efa maro ny famoronana vitan’ny ankizy. Nisy nahavita namorona sy nampiodina « Drone », izay mitondra entana. Tao anatin’ny iray volana mahery ny nanamboarana sy ny vina nanamboarana azy io. “Baikoina amin’ny finday na solosaina rehefa misy Wifi ary jerena amin’ny écran (efijery) amin’ny solosaina”, hoy Andriantahina Fy, mpianatra teknika eo anivon’ny kolejy Masina Misely. Nambaran’izy ireo ho olana ny fanenjehana fotoana sy ny lafiny ara-bola rehefa manao famokarana. Tamin’ny vinavina voalohany, nieritreritra hanao fiaramanidina ny tetikasa kanefa sarotra kokoa noho ny pitsopitsony be sy ny fitaovana hanamboarana azy. “Vinavinan’ny mpianatra ny hamerina ny jiro telo soratra satria tsy mbola hitanay izany”, hoy Rakotoniera Finaritra Marc, mpianatra teknika. Natao hanampy ny polisy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana izany tetikasa izany. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly fa ho santarina eo amin’ny vavahady fidirana ny tetikasa sasany nataon’ny mpianatra.
Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou




