Nifanehatra tamin’ny polisy : Mpamaky trano naiditra am-ponja

Nifanena tamin’ny polisy eo anivon’ny CSP 3 nanao fisafoana, mpamaky trano iray voasambotra teny Tsara­honenana, ny zoma 11 jolay teo, tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro. Nampiahiahy ny fihetsik’io lehilahy io satria niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray izy. Nandrasan’ny polisy kendry tohana. Nitondra vilany miisa telo niampy radio iray izy nivoaka ny trano. Tsy nisy alaharo fa natsahatra avy hatrany. Niaiky io olon-dratsy io fa avy nangalariny tokoa ireo entana teny aminy ireo ary nokasainy amidy. Nentina teny amin’ny kaomisarian’ny polisy ny tenany. Natolotra ny fampanoavana ka voatazona vonjimaika eny Antanimora. Marihina, betsaka ny tranga hala-boty amin’izao fotoana noho ny hamaroan’ireo olona tsy an’asa. Tsy mifidy alaina intsony ireo mpangalatra fa mandray avy hatrany izay entana hitany sy azo havadika vola eo noho eo rehefa tsy misy mahita.

Tsiferana R.

Partager sur: