Lehilahy manodidina ny 30 taona eo, hita faty teny Sidisidina Tangaina, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrika Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Mpandroaka sarety sy mpanao biriky nandeha maraina no nahita vatan-dehilahy iray nivalampatra ka nampilaza ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy eo Ampitatafika. Niaraka tamin’izy ireo ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 Faliarivo, nizaha ny razana. Nahitana tsindron’antsy teo amin’ny takibany. Naratra ihany koa ny lohany ary nivonto ny saokany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo teny an-toerana. Noheverina ho nisy namono tany ho any ary nalefa tao anaty rano, avy eo notarisina sy napetraka teo amoron-dalana manakaiky tanimbary ny razana. Nahitana fako toy ny gony sy mololo nanaraka ny vatany. Feno fotaka ihany koa ny vatany sy ny akanjony.
Tsy mbola fantatra ny havany
Tsy mbola fantatra ny havan’io maty io ary tsy avy eny Ampitatafika ihany koa ny fiaviany satria tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny amin’ny manodidina. Tsy nahitana taratasy manamarina ny mombamomba azy ihany koa teny aminy, rehefa nosavain’ny manam-pahefana. Nanao ny fikarakarana sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny kaominina Ampitatafika. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
Mino




