Avotra teny amin’ny seranan’Ivato : Zaza valo volana hamidy any Gabon

Ravan’ny polisy ny 12 jolay lasa teo, ny tambajotra iray mpanondrana olona mankany ivelany. Avotra teo am-pelatanan’izy ireo ny zaza vao valo volana, saika hamidy any Gabon.

Tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy lasa teo, ny renim-pianakaviana iray nikasa hitondra zaza ha­midy any Gabon. Nisandoka ho renin’ilay zaza izy rehefa notambazana vola telo tapitrisa Ar. Zazakely, tezaina amin’ ny fandraisana zaza kamboty ilay lasibatra.
Vehivavy miisa enina, miampy lehilahy roa, no voasambotry ny polisy mpiambina sisintany. Misy ny mpikarakara ny taratasy hosoka, misy ny mpikaroka ny zaza amidy, eo ny mpisandoka ho reniny, ary misy ny mpitondra ny olona mankany ivelany. Teo am-pikononkononana ny fandefasana ilay zaza amin’ny sidina Ethiopians Airlines no vaky ambatolampy ny raharaha maloto.
Araka ny vaovao avy
amin’ny polisim-pirenena, tratra voalohany ilay nisandoka ho reniny. Voasambotra teo am-panomezana ilay zaza tamin’ny vehivavy hafa hitondra azy miondrana any Gabon izy. Nibaradaka sy niaiky ny helony izy nandritra ny fakana am-bavany savaranonando natao azy. Nohamafisiny fa voakarama fotsiny izy hanatitra ny zaza amin’olona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Notondroiny avokoa ireo mpiary tsikombakomba taminy.
Mbola karohina
Tafakatra valo ny isan’ny olona nosamborina momba ity fanondranana zaza tratra te­tsy Ivato ity. Tsy mijanona ha­treo anefa ny fanadihadiana. “Mitohy ny fikarohana ireo heverina ho mbola anisan’ny mpiray tsikombakomba”, ara­ka ny fanazavan’ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo.
Etsy ankilany, natao fizaham-pahasalamana ilay zaza. Voamarina fa salama tsara sy tsy misy ahina izy ka napetraka amin’ny Akany azo antoka.

Tsiferana R.

Partager sur: