Anisan’ireo tanora fanta-daza amin’ny fifaninanana Rallye “Run” Ratsivahiny Bryan. Mbola tanora izy, efa nanomboka nifanintsana tamin’ny fifanintsanana “Run” eto Madagasikara.
Solofo mpandimby! Izay no azo ilazana an-dRatsivahiny Bryan, Malagasy mpanao Rallye “Run”, eto Madagasikara. Nandritra ireny hetsika “Salon national des sports”, teny Mahamasina ireny, nisy ny fanadihadiana natao taminy. Araka ny filazany, teo amin’ny faha-14 taonany izy no nandray anjara voalohany tamin’ny fifaninanana manamory fiarakodia, “Run Mada”. Nomarihiny fa mbola tany amin’ny sokajy ambany ny tenany tamin’izany fotoana.
“ Nanomboka 9 taona aho no nianatra nitondra fiara voalohany. Rehefa 14 taona aho, nanomboka nandray anjara tamin’ireny Rallye Run ireny, satria feno 14 taona ianao vao afaka mandray anjara amin’izany. Mbola sokajy ambany moa ny tenako tamin’io”, hoy Ratsivahiny Bryan.
Araka ny fanazavany, efa toy ny ao anatin’ny ra an’izy ireo mihitsy ilay filalaovana Rallye. Notsiahiviny fa mpanamory Rallye, mandray anjara amin’ny Run ihany koa ny rainy, Ratsivahiny Andry, solombavambahoaka. “Raha ny fahitako azy, efa fitiavana ao anaty mihitsy izy ity, ary mpanao Run tahaka ahy ihany koa ny raiko. Samy mankafy izany avokoa moa na izaho na izy na i zandrinay”, hoy ity Malagasy tanora mpanamory fiara ity.

Ny ho tompondakan’i Madagasikara…
Manana tanjona mitovy amin’ny rehetra ihany i Bryan. Miezaka hatrany ny tenany mba ho lasa tompondakan’i Madagasikara amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa ny taona 2023, efa tompondaka ny sokajy “Rookie” Mada, Ratsivahiny Bryan. Ny taona 2024, Tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, ny tenany ary efa nahazo ny laharana voalohany tamin’ny Mada Super Run I sy II.
Ankoatra izay, manana faniriana ny hampivoatra ny Run eto an-toerana koa ity tovolahy ity.
“Marina fa efa avo lenta ny any ivelany, saingy manana faniriana ny hampivoatra ny taranja eto Madagasikara ny tenako mba hahafahan’ny tanora rehetra mankafy ity taranja ity hisehatra tsara amin’izany”, raha ny nambaran-dRatsivahiny Bryan.
Nomarihin’ity lehilahy ity fa mbola anisan’ny lesoka eto Madagasikara ny “piste” hilalaovana. Mbola tsy manaraka ny fenitra toy ny any ivelany izany.
Fantaro ary:
Tsara ny mampahafantatra fa 17 taona Ratsivahiny Bryan amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny Rallye, manao ny taranja Jiu jitsu sy lomano ihany koa ny tovolahy. Anisan’ny tena ahafantaran’ny maro azy ny fitondrany ny fiara Peugeot 205, izay mitondra ny anarana hoe: “Tonnerre”. Nametraka hafatra ho an’ireo tanora malagasy moa ny tenany.
“ Ny hafatra ho an’ny tanora mitovy amiko dia tsotra ihany, aleo mirona amin’ny zavatra madio tahaka izao. Aleo ihany manao fanatanjahantena ary aza manaiky taritin’ny hafa any amin’ny zava-mahadomelina izany”. Hafatry Ratsivahiny Bryan.
Araka ny fanambarana nataon’ny rainy, ny solombavambahoaka Ratsivahiny Andry, tao amin’ny pejiny, afakomaly, tsy afaka ny hiatrika ny “King of Mada” 2025, i Bryan, fa miatrika ny fanadinam-panjakana Baccalaureat.
Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary ny soa sy ny tsara ho an-dRatsivahiny Bryan sy ireo tanora malagasy rehetra amin’ny fiatrehana izany fanadinanana izany.
Nanatontosa : Fitia Randria




