Saropody – Tanjombato: Efa-dahy nitam-basy nandroba 1 tapitrisa Ar

Niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano iray manamorona ny lalamby teny Saropody, Tanjombato, ny alin’ny talata 15 jolay teo, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo olon-dratsy. Ni­lanja fitaovam-piadiana, tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Ni­taky ny vola tao an-trano sy nangorona ny entana sarobidy toy ny fahitalavitra. Niezaka nanda ny tompon-trano ka ni­daroka avy hatrany ireo lasibatra ireo mpandroba. Noko­ron­tanin’ireo tsy mataho-tody ny efitrano. Voatery nanome ny vola tahiry mitetina 1 tapitrisa Ar ny lasibatra. Poa toy izay, nirohotra nivoaka ny tra­no ireo jiolahy. Niantso ny ma­nam-pa­hefana avy hatrany ny niharan’ ny fandrobana. Nidina ifotony te­ny an-toerana ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny bo­riborintany faharoa sy ny kaomisaria centrale Tanjom­bato. Naratra ny olona tao ta­min’ilay trano ka voatery nentina eny anivon’ny HJRA. Tsy nisy nanapoaka fitaovam-piadiana ireo mpanao ratsy nandritra ny fanafihana, araka ny an­gom-baovao nataon’ny polisy.
Miroso amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ireto farany. Marihina, mirongatra ny fanafihan-jiolahy tato ho ato. Tokantrano iray hafa koa norobain’ny jiolahy teny Anka­dikely Ilafy, ny marain’ny alakamisy 17 jolay teo, tamin’ny 3 ora maraina.

Tsiferana R.

Partager sur: