Anisan’ny mitondra any amin’ny fandrosoana ny fananana fototra. Na tsy mbola tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy aza ny fikajiana ny angon-tahiry na ny tahiry. Efa zava-dehibe ny fahavitana dingana aminy.
Iray amin’ireo firenena nandalo ny vanim-potoana faha-mpanjaka i Madagasikara. Na tsy maro be tahaka ny hita any amin’ny firenena eorôpeanina aza. Manana tahiry saro-pady ity Nosy ity. Efa tafiditra rahateo ao anatin’ny « Registre international mémoire du monde de l’Unesco », ireo tahirin-tsary, horonantsary, feo, sns, nandritra ny taona maro (1824-1896).
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-16 taonan’ny fidiran’ireo tahiry ireo ao anatin’ny « Mémoire du monde ». Hotanterahina etsy amin’ny Sampandraharaha misahana ny arsivam-pirenena etsy Tsaralalàna, ny 31 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ilay velakevitra lehibe nampitondraina ny lohahevitra: « Ny lanja sy ny maha sarobidy ny tahiry faha-mpanjaka teo anelanelan’ny taona 1824 ka hatramin’ny 1896 ». Handaha-teny amin’izany Raholinirina Julie, « Chef de service des rélations avec l’administration et les chercheurs auprès de la Direction des archives nationales ».
Iray amin’ireo fototra mampijoro ny firenena
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina: « anisan’ny nitondra fampandrosoana lehibe ho an’ireo firenena manana tanjaka amin’ny lafiny rehetra (kolontsaina, toekarena, politika…) ny fananany sy ny fahalalany ary ny fametrahany amin’ny toerana sahaza azy ny angon-tahiry tao anatin’ny fotoana maro. Avy tamin’ireny no nisintonany lesona hiatrehiny ny anio ary hibanjinany ny hoavy ».
Noho ny tsy fanaovan’i Madagasikara laharam-pahamehana ny angon-tahiry sy ny tahiry. Tsy mbola manana ilay kolontsaina mitrandraka ny tany am-piandohana ny Malagasy. Ny ampidirin’ny vanim-potoana « anio sy ny ankehitriny » ihany no heveriny ho zava-dehibe… Antony iray mampitarazoka ny fandiavana ny vanim-potoanan’ny « mitady ny very » ny tsy fananana io kolontsaina io.
HaRy Razafindrakoto




