« Memoire du Monde » : Omena lanja ny tahiry fony faha-mpanjaka

Anisan’ny mitondra any amin’ny fandrosoana ny fananana fototra. Na tsy mbola tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy aza ny fikajiana ny angon-tahiry na ny tahiry. Efa zava-dehibe ny fahavitana dingana aminy.

Iray amin’ireo firenena nandalo ny vanim-potoana faha-mpanjaka i Madaga­sikara. Na tsy maro be tahaka ny hita any amin’ny firenena eorôpeanina aza. Manana tahiry saro-pady ity Nosy ity. Efa tafiditra rahateo ao anatin’ny « Registre international mémoire du monde de l’Unesco », ireo tahirin-tsary, horonantsary, feo, sns, nandritra ny taona maro (1824-1896).
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-16 taonan’ny fidiran’ireo tahiry ireo ao anatin’ny « Mémoire du monde ». Hotanterahina etsy amin’ny Sampandraharaha misahana ny arsivam-pirenena etsy Tsaralalàna, ny 31 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ilay velakevitra lehibe nampitondraina ny lohahevitra: « Ny lanja sy ny maha sarobidy ny tahiry faha-mpanjaka teo anelanelan’ny taona 1824 ka hatramin’ny 1896 ». Handaha-teny amin’izany Raholinirina Julie, « Chef de service des rélations avec l’administration et les chercheurs auprès de la Direction des archives nationales ».

Iray amin’ireo fototra mampijoro ny firenena

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Sampan­draha­rahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina: « anisan’ny nitondra fampandrosoana lehibe ho an’ireo firenena manana tanjaka amin’ny lafiny rehetra (kolontsaina, toekarena, politika…) ny fananany sy ny fahalalany ary ny fametrahany amin’ny toerana sahaza azy ny angon-tahiry tao anatin’ny fotoana maro. Avy tamin’ireny no nisintonany lesona hiatrehiny ny anio ary hibanjinany ny hoavy ».
Noho ny tsy fanaovan’i Madagasikara laharam-pahamehana ny angon-tahiry sy ny tahiry. Tsy mbola manana ilay kolontsaina mitrandraka ny tany am-piandohana ny Malagasy. Ny ampidirin’ny vanim-potoana « anio sy ny ankehitriny » ihany no heveriny ho zava-dehibe… Antony iray mampitarazoka ny fandiavana ny vanim-potoanan’ny « mitady ny very » ny tsy fananana io kolontsaina io.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: