Nilalao teo an-tokotany : Naolan’ny tovolahy iray i Henintsoakely, 4 taona

Raharaham-pitsarana nahavariana ny mpanara-baovao ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25- IS/ST/LT, tetsy amin’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 17 jolay teo, hanenjehana an-dRandriamarolahy Nambinin­tsoa Francky. efa voatazona vonjimaika am-ponja, ny 7 jolay lasa teo. Nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana, nambaran’ny mpa­n­gataka onitra fa tia milalao “balançoire” ny zanak’izy ireo, efatra taona. Mpifano­lobo­dirindrina ry zareo sy ny voampanga, ka mandritra filalaovan’ilay ankizy eo an-tokotany no nantsoin-dRandria­marolahy Nambinin­tsoa Francky, izy. Notarihiny hilalao tao amin’ izy ireo. « Nentiny niditra tao an-tranony ka nohidiny tao an’efitra », hoy ny reniny. Nohamafisiny hatrany fa rehefa tonga tao an-tokatrano dia nesoriny ny akanjon’ ilay ankizy ka nanamparany ny filan-dratsiny tao. Notan­tarain’ ilay ankizy niatomboka teo amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sy fiahiana ny ankizy tsy ampy taona sy teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana misahana ny zaza tsy ampy taona rahateo izany. Vokany, na nanatrika ny fotoam-pitsarana aza ny niharam-boina dia tsy nanontanian’ny mpitsara, mba hitantara izay nanjo azy. Nandritra ny firesahana tamin’ny ray aman-denin’ny niharam-boina no nahalalana fa efa fahazaran’ ity tovolahy ity ny manao fihetsika feno habibiana amin’ny ankizy eo amin’ny fokontany misy azy ireo fa saingy matahotra ny ray aman-dreniny izay miseho ho mahitahita. Tsy vitan’izay fa efa avy naiditra tao amin’ny hopitalin’ny marary saina vokatry ny fitsindromana zava-mahadomelina ka lasa hanaovana fiarovan-tenany amin’ny asa ratsy vitany izany. « Izahay ray aman-drenin’i Henintsoakely niharan’ny hetraketraky ny fanolanana sy fihetsika vetaveta dia magataka ny fanampian’ny fitondram-panjakana », hoy ireo ray aman-drenin’ilay zazavavikely.

Sajo

Partager sur: