Notanana vonjimaika any am-ponja, ny alin’ny alakamisy 17 jolay, ilay serza sy adjidà niampy vehivavy niray tsikombakomba, tamin’ny fakana an-keriny tao Ankadikely Ilafy. Nikasa hahazo vola mitetina 10 tapitrisa Ar tamin’ny rangahy izay vadin’ilay ramatoa nataony takalonaina izy ireo kinanjo tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny trano fonenany ny renim-pianakaviana iray, ny 10 jolay lasa teo. Nentina tany amin’ny toerana manokana io vehivavy io. Notapenana ny masony ary notakiana vola an-tapitrisa ny vadiny. Nametraka ny fitokisana tamin’ny mpitandro filaminana momba ny fanadihadiana ny tranga ny fianakavian’ny lasibatra. Natao ny vela-pandrika sy ny fikarohana. Vokany, sarona tao amin’ny tokantrano iray teny Antsahamamy Ambolokandrina, ny serzà iray nitam-basy sy vehivavy namany. Nihazona an-keriny an’ilay renim-pianakaviana izy roa ireo. Nentina natao famotorana ireto farany. Nitoroka ny tompon’antoka tamin’io fihazonana takalonaina io. Voasambotra ilay adjidà misotro ronono, ny 15 jolay. Nentina niakatra fampanoavana izy telo mianadahy ka niafara amin’ny fihazonana am-ponja.
Tsiferana R.




