Mpivady hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Antsahalava Ambatondrazaka, omaly. Niara-nisakafo tamin’ny zanany vao 5 taona monja izy mivady ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady.
Voalaza ho nihinana sakafo tsy fihinana natao laoka, renim-pianakaviana sy ny vadiny hita faty tao an-tranony, tao Antsahalava Ambatondrazaka, omaly maraina. Nahandro karazana voan-javatra miloko mena izay antsoin’izy ireo hoe “kalamoaka dia” io ankohonana io. Nangidy tanteraka ny tsirony ka tsy nihinana ilay zanak’izy mivady. Hatairana ny an’io zanak’izy ireo io rehefa maraina satria tsy nisy niarina teo am-pandriana ny ray sy ny reniny. Nihinjitra sy efa nangatsiaka ny vatan’ izy mivady. Niara-nilalao tamin’ny ankizy teo an-tokotany io zanany io no nitantara tamin’ ny ankizy ny nanjo ny ray aman-dreniny ka nikoropaka ny manodidina. Nihosina maloto teo afovoan-trano ramatoa raha toa ka nivalampatra teo am-pandriana ilay rangahy vadiny. “Nandoa eran-trano vokatry ny fihinanana io voan-javatra io izy mivady”, hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny tobim-paritra Ambatondrazaka.
Tsy nahitana ratra
Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nanao ny fizahana an’ireo namoy ny ainy. Tsy nahatsiaro tena hatry ny alina izy mivady, araka ny nambaran’ny mpitsabo nanao ny fizahana. Tsy nahitana ratra ny vatan’ izy ireo. Nanamafy ny mpitsabo fa ny fihinanan’izy mivady io voan-javatra io no nitarika ny fahafatesany. Natao famotorana ny mpiray tanàna amin’izy mivady. Matetika mitango io karazan-javatra io ilay renim-pianakaviana, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpiray vodirindrina aminy. Nahitana hoditra sy voan’io zavatra nataony laoka io koa tao amin’ny trano fonenan’izy mivady.
Tsiferana R.




