Mitohy ny raharaha fitsarana mahakasika ny tranga fanapoizinana nahafatesan’olona miisa 31 nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Hiatrika fanadihadiana tsy ho ela ny tompom-pety sy ny fianakaviany, raha ny fanambarana nataon’ ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomamonjy Benjamin Alexis, afakomaly. Efa nisy nitory ihany koa ireo fianakaviana ireo. Miara-miasa akaiky ny fitsarana sy ny sampandraharaha hafa izay manao fanadihadiana mahakasika io raharaha io, raha ny nambarany ihany. “Tsy manana olona arovana na dia iray aza amin’ io rahahara io ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry”, hoy ihany izy. Nanome toromarika ny lehiben’ ny fampanoavana eo anivon’ ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo izy mba hanaovana fanadihadiana izay rehetra voakasik’ity raharaha ity sy ireo tokony hantsoina. Nilaza ihany koa izy ny tokony hanafainganana araka izay azo atao ny fanadihadiana ka irosoana eo amin’ ny fitsarana ady heloka bevava. Nohamafisiny ihany fa hiantsoana mpanao gazety sy azon’ny rehetra atrehina ny raharaham-pitsarana heloka bevava. Marihina fa efa tafakatra 31 ny olona maty hatramin’ny afakomaly. 16 ireo narary efa nivoaka ny hopitaly. Sivy ireo mbola manaraka fitsaboana. Valo amin’ireo no efa mihatsara ny fahasalamany ary efa mihinana fanafody fampiakarana hery. Marary iray hafa mbola arahi-maso akaiky. Nanamafy hatrany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo, fa fanapoizinana no niseho teny Ambohimalaza fa tsy « Botulisme ». Andrasana ny tohin’ ny raharaha.
Mino




