Nosy Be Hell-Ville : Olona telo voasambotra

Vehivavy roa sy lehilahy iray nosamborin’ny zandarimaria miasa ao Nosy Be, omaly. Mpanamparitaka horonantsary mamoafady ary manolana zaza tsy ampy taona mihitsy ireto voasambotra ireto. Mifampiresaka amin’ny teratany vahiny amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny vehivavy iray ka amidiny ireo horonantsary namboariny. Tsy olon-kafa fa anisan’ireo zaza lasibatra tamin’io fihetsika mamoafady naparitak’izy ireo ny zafin’ilay vehivavy niara-voasambotra taminy ihany. Tratra voalohany ilay ramatoa lehibe taorian’ny fandraisana andraikitry ny zandarimaria. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’antoka ireto farany taorian’io. Nikasa handositra ilay tena atidoha amin’ny fanaovana io horonantsary mamoafady io sy ny lehilahy iray. Sarona tao Ankify izy ireo, ny alahady tolakandro. Nentina atao famotorana eny anivon’ ny mpitandro filaminana mialoha ny hanolorana azy ireo anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: