Nangalatra 6 tapitrisa Ar : Ankizy telo naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja, ny 19 jolay teo, ireo telo mianadahy ka tsy ampy taona ny iray. Nangalatra vola mitetina 6 tapitrisa Ar tao amin’ny fokontany Andrama­sina, kaominina Am-batomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, izy ireo. Nipetraka tao amin’ny fianakaviany ary nametrahan’izy ireo fitokisana ilay ankizivavy vao 13 taona. Tsy hita tampoka io ankizy io ary lasany ny fanalahidin’ny trano, ny 13 jolay. Tsy hita tao an-trano koa ny vola 6 tapitrisa Ar. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ao Miarinarivo ny rain’io zaza io, ny alahady 13 jolay teo. Nokarohina tamin’ny toerana ahina ho nandosirany ity farany. Voasambotry ny polisy tao amin’ny tanànan’Imerin­tsiatosika izy, ny 17 jolay lasa teo. Natao famotorana mom­ba io lelavola an-tapitrisa tsy hita io. Niaiky heloka ity ankizivavy nifampitadiavana ity. Nitoroka olona roa niara-nanao ny asa ratsy taminy izy. Tratra teny Anosibe, Antana­narivo Renivohitra, ireo roa lahy. Nividianan’izy ireo finday miisa dimy ny ampaham-bola nangalariny. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka izao niafara amin’ny fihazonana am-ponja izao.

Tsiferana R.

Partager sur: