Raharaha Ambohimalaza : Tsy mbola voaantson’ny zandary ny tompom-pety

Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola nampanantsoina teny amin’ny zandary ilay tompon’ny fety teny Ambohimalaza. Efa misy olona 17 sitrana, nivoaka ny hopitaly, raha ny vaovao ofisialy.

Natao famotorana teny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo olona telo efa notanana vonjimaika, niampy ny renin’i Fenohasina ilay tompom-pety, omaly. “Atao fanadihadiana lalina ireo efa notanana vonjimaika teny am-ponja sy ny renin’ilay vehivavy tompon’ny fety”, hoy ny fanazavan’ny zandary miasa eo anivon’io sampana io. Anatin’ny famotorana tanteraka izy ireo ka tsy misy ny vaovao afaka avoaka. Tsy anisan’ireo natao famotorana araka ny vaovao miely teny anivon’ny tambajotran-tserasera kosa i Fenohasina, ilay tompom-pety, araka ny fa­nampim-panazavana voaray hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. “Mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly izy ary tsy mbola natao fanadihadiana tety aminay”, hoy io loharanom-baovao io. Anisan’ny nohainoin’ny mpanao famotorana teny Fiadanana, ho an’ny omaly, ilay vadin’ny mpilalao baolina kitra malaza. Andro vitsy taorian’ny fanambaran’ ny minisitry ny Fitsarana, araka izany, niroso tamin’ny fanadihadiana lalina momba ity tranga nahafatesan’olona 31 ity ny mpitandro filami­nana.

Nivoaka ny hopitaly
Manomboka mahazo fahasalamana ireo ambiny sisa tavela tamin’ity tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ity. 17 ireo efa sitrana ka ta­fody eny anivon’ny fianakavi­any hatramin’ny nisian’io tranga io. Nivoaka ny hopitaly omaly kosa i Deborah, izay anisan’ireo narary niady mafy tamin’ny tsy fahasalamana ka notsaboina teo anivon’ny hopitaly. Ankoatra io, nihazo an’i Fiadanana nametraka fi­toriana ny solontenan’ny fianakavian’ny lasibatra sy ny mpisolovava azy ireo. Mitaky ny hamoahana ny marina momba io vonoan’olona nini­ana natao io izy ireo. An­drasana ny tohin’ny raharaha.

Randria.

Partager sur: