Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, ny alahady hariva teo. Nandeha mafy ny fiara iray ka voafaoka tampoka tamin’izany, io lehilahy nitondra bisikileta io. Niakarapoka tamin’ny tany izy, vaky ra ary tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ny nanatri-maso ilay naratra. Voa mafy izy ka tsy tana intsony ny ainy. Tetsy ankilany, tsy nijanona ilay fiara fa nanohy ny diany. Nandositra ity farany ary tsy nijanona tamin’ny toerana nitrangan’ny loza. Marihina, voararan’ny lalàna ary mampigadra ny fandosirana andraikitra indrindra tranga namoizana ain’olona tahak’ity niseho tao Arivonimamo ity. Ankoatra izay, notanana am-ponja vonjimaika ilay mpamily ny fiara nandona moto ka namoizana ain’olona roa teny Antanimora-Mousolée, ny herinandro lasa teo. Nandositra io mpamily io saingy voasambotra andro vitsy taorian’ny loza.
Tsiferana R.




