Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery.
Norao­fin’ireo olon-dratsy koa ny finday izay mbola nisy vola 30 tapitrisa Ar. « Mpiray tanàna amin’ireo voatafika ihany ireo voasambotra », hoy ny fanazavan’ny zandary lehiben’ny tobim-paritra ao Mananara Avaratra. Naratra mafy, voa teo amin’ny lohany, ilay raim-pianakaviana ary vaky ra koa ny vadiny noho ny daroka nataon’ireo mpandroba. Ni­roso tamin’ny fanadihadiana ny tomponandraikitra. « Nan­dray anjara mivantana tamin’io tranga io ny lehilahy iray izay tokony mbola hamita sazy any am-ponja », hoy ny mpanao famotorana. Namono saingy tsy nahafaty ireo mpivady ireo olon-dratsy. Ankoa­tra io lehilahy io, vehivavy miisa telo, mpiray tsikombakomba aminy sy lehilahy iray hafa niara-notanana vonjimaika.
Mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy izy ireo. Mitohy ny fikarohana olona roa hafa izay voatonona anarana. Marihina, manaraka fitsaboana ireo lasibatra nandritra ity fandrobana niampy fandratrana olona tao Mananara Avaratra ity.

Tsiferana R.

Partager sur: