Rehefa ao anatin’ny hatsiaka tahaka izao, hitan’ny olona tena mandeha ny lasopy, toy ny silamangany. Mifanohitra amin’izany anefa ny avalin’ireo mpivarotra izany.
Anisan’ny ankafizin’ny olona amin’ny resaka lasopy ny silamangany. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly, hita ho mandeha tokoa ny silamangany, saingy somary sahirana ireo mpivarotra manao izany, eny an-toerana. Nilaza ny mpivarotra hena sy taolana iray eo amin’ity tsena an-dRenivohitra ity fa maro amin’ireo olona eny an-toerana no manao lasopy ary misy amin’izy ireo no maka 10 kilao, raha toa ka eo amin’ny 2 na 3 kilao eo no alain’ny ankamaroany.
«Tena mandeha mihitsy aloha ny lasopy rehefa ririnina tahaka izao. Izahay mivarotra ny silamangany izao, tsy dia sahirana mandafo azy itony satria maro ireo maka sy mila izany hanaovana lasopy na hanaovana fangaron-daoka”, hoy ny mpivarotra taolana sy silamangany iray eny an-toerana.
Etsy ankilany, ireo mpivarotra lasopy atao amin’izany milaza fa manao “indraindray” ny tsenan’izy ireo ka tsy voafaritra na mandeha ny tsena na tsia. “Tsy mitovy ny tamin’ny taona lasa mihitsy ilay tsena tamin’ity ririnina ity. Tamin’ny 2024 izao, nahalafo be izahay, saingy tamin’ity, nanahirana kely ny maka entana maro. Jndray andro izahay mahalafo ihany ary misy fotoana tena mihisatra ny fandehan’ny tsena eto aminay”, hoy ny mpivarotra lasopy iray eny Analakely nanontaniana.

6 000 Ar ny kilaon’ny silamangany
Tsy niova mihitsy ny vidin’ ny taolana silamangany eny amin’ireo mpivarotra izany, eny Analakely. Mbola voatazona ho 6 000 Ar ny vidin’ny iray kilao. “Na dia hita fa mandeha ary izy io, mbola hotazominay amin’ny vidin’ny 6 000 Ar hatrany izany. Tsy niova mihitsy izy io, fa mijanona amin’io vidiny io ihany aloha hatreto”, hoy hatrany ilay mpisehatra amin’ny fivarotana taolana sy silamangany eny an-toerana.
Araka ny fanazavana azo avy amin’izy ireo, misy amin’ireo mpanao lasopy ireo ihany koa no maka ny “troka”. 3 000 Ar ny vidin’ny kilao amin’izany.
Samy manana ny vidiny ny lasopy eny Analakely
Tsy mitovy ny vidin’ny lasopy eny Analakely, araka ny fidinanana ifotony natao omaly, teny an-toerana. Misy amin’izy ireo mivarotra izany eo amin’ny 1 000 hatramin’ny 2 500 Ar. Ao kosa ireo manafangaro izany amin’ireo singa maro samihafa, ary mivarotra izany amin’ny sarany 5 000 Ar.
“Ny anay izao, afangaro amin’ny atody sy “van-tan”, mba hanome tsiro azy tsara, na hatao amin’ilay hoe “spécial” ny anarany, 5 000 Ar moa ny vidin’izany eto aminay. Misy amin’ireo olona mantsy, tia manjifa ilay lasopy mifangaro atody sy silamangany ary totokena na hena-baolina”, hoy ny mpanao hotely iray eny amin’ity tsena lehibe ity.
“Ilay somary kely ireny ny hena amin’ilay silamangany, amidy 1 000 Ar amin’ireo olona. Fa ilay somary ngeza kosa, tsy maintsy amidin’izy ireo 3 000 na 2 500 Ar.” Nambaran’ny mpanao lasopy iray eny Analakely.
Nomarihin’izy ireo hatrany fa ireo legioma ihany no tena ampiasain’izy ireo rehefa manao itony silamangany itony.
Nanatontosa : Fitia Randria




