Teraka tao amin’ny toeram-pivoahana ho an’ny besinimaro iray teny Ampefiloha ny vehivavy iray, omaly. Nitera-tena samirery io vehivavy io. Tsy nisy nanampy izy fa niezaka namoaka ny zanany tao anatin’ilay toeram-pivoahana. Nikasa hanary io zanany vao teraka io anefa ilay vehivavy taorian’izay. Saika natsipiny tao ambadiky ny toeram-pivoahana ilay zaza menavava. Tsikaritry ny monodidina ny fihetsiny. Nifanampy avy hatrany ny fokonolona. Niantso ny tomponandraikitra misahana ny filaminam-bahoaka. Nentin’ny polisy nihazo ny biraony ilay vehivavy. Voamarina taorian’ny fahatongavan’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny polisy fa tsy salama saina io vehivavy io. Nokarakaraina ny zanany. Marihina, mirongatra ny fanarian-jaza ataon’ny reniny, indrindra eto an-dRenivohitra tato ho ato. Tahotra ny fandraisana andraikitra sy famelomana ireo zaza.
Tsiferana R.




