Zazavavy 6 taona hita faty ny alatsinainy ary olona iray hafa omaly tolakandro, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tsy nisy voamaso ilany intsony ilay zazavavy.
Nofatorana tamin’ny rovitr’akanjo mainty teo am-bodihazo ny vatany, nogejaina tadin-kiraro ny tongotr’i Tanyah kely, ilay zazavavy 6 taona hita faty tao Ambohimalaza, ny alatsinainy 21 jolay teo. Nilalao teo an-tokotany niaraka tamin’ny namany izy, ny tolakandron’ny sabotsy 19 jolay. “Natory tao an-trano ny reniny sy ny zandriny. Tsy hita intsony i Tanyah nanomboka teo”, hoy ny fanazavan-dRaveloarisoa Jeanine, tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany ao Saharavo, Ambohimahitsy. Tsy nody an-trano intsony io zazavavy io ka nanomboka nikaroka azy ny fianakaviany. Ankizy naka kitay tao anaty ala no nahatsikaritra ny fisian’io zaza nifatotra io ka nampandre ny manam-pahefana. Naharay fampahafantarana avy amin’ny mpitandro filaminana teny Ambohimalaza izy ireo fa hita faty io zaza nokarohina io, ny alatsinainy teo. “Nifatotra tamin’ny vodihazo izy. Efa feno ratra ny vatany sady tsy nisy aina intsony”, hoy ny nambaran’ny fianakaviany. “Miandry ny fianakaviana avy manao ny fandevenana izahay ary hanokatra fanadihadiana aorian’io”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimalaza. Manana ahiahy ny fianakavian’ity zaza hita faty ity momba ny nahavanon-doza. “Aleo handeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana fa izy ireo no afaka hanamarina izany”, hoy ny fanazavana. Nentina nihazo ny tanindrazany any Ambatondrazaka i Tanyah kely ka tontosa omaly ny fandevenana azy.
Tao anaty lavaka
Ankoatra io, olona iray hafa hita faty nifatotra tanaty sakaosy tao Marovitsika, kaominina Ambohimalaza, omaly tolakandro. Narian’ireo tsy valahara tao anaty lavadrano efa tsy miasa intsony io olona io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny vatana mangatsiaka. Fotsy fihodirana io olona io ary nisy tombokavatsa ny tratrany. Andalam-panatanterahana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana.
Tsiferana R.




