Ankilimalinike : Hiaro ny vahoaka ny « Voromahery »

Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voroma­he­ry ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voroma­hery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana ny fandriampahalemana. Nitarika ny fotoana ny prefen’i Toliara sy ny Vondron’ny mpitandro filaminana ahitana ny polisy, ny zandary ary ny mi­aramila (OMC). Ma­hatratra 200 ny mpikambana Voro­mahery any Ankilimalinike miaraka amin’ny mpitandro filaminana 50. Nihetsika avy hatrany izy ireo ny 22 jolay, niainga teo amin’ny toeram-pitrandrahan’ ny Base Toliara. Hita ny toerana fiafenan’ireo olon-dratsy tanaty ala tsilo any Anki­limalinike, ka ni­tsoaka avy hatrany izy ireo.
Nohitsin’i Tendrisoa, filohan’ny Voromahery Ankilimalini­ke, fa « vonona tanteraka izahay hiaro ny tetikasam-pampandrosoana sy ny tombontsoan’ny besinimaro. Toherinay tanteraka ny fanakorontanana sy ny asan-jiolahy ». Ho an’ny prefet Ratovelo Thierry, « pejy vaovao ho an’Ankilimalinike ny fijroan’ny Voromahery, mandray an-tanana ny fandriampahalemana ny fokonolona miaraka amin’ny OMC ».

Njaka A.

Partager sur: