Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja.
Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antanimora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiroka, ireo olon-dratsy ireo. Tokantrano iray voatafika tao amin’ny fokontany Antalamohitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 12 jona lasa teo. Niditra an-keriny ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany tamin’ ny raim-pianakaviana iray. “Naratra io lehilahy io saingy tsy nahina ny ainy”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Antehiroka. Lasan’ireo mpandroba ny finday niampy vola 1 hetsy Ar. Folo andro taorian’io, nanao ny asa ratsiny teny Ambohijanahary indray ireo mpanao ratsy. Namoaka basy, naka ny finday rehetra sy vola 4 hetsy ireo mpanao ratsy. Nametraka fitoriana ny lasibatra.
Nialokaloka
Nanao ny angom-baovao rehetra sy ny fanadihadiana ny ekipan’ny zandarimaria eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo. Nokarohina ireo jiolahy ka tratra rehefa nialokaloka teny Ambohimanarina ny efatra.“Dimy ireo voasambotra tamin’io fotoana io saingy vehivavy ny iray”, hoy ny fanazavan’ny zandary nanao ny fisamborana. Sarona teny amin’ireo olon-dratsy ny finday nangalariny rehetra tamin’ireo tokantrano miisa roa ireo. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana am-ponja ny efatra. Nahazo fahafahana taorian’ny fisalasalana kosa ilay vehivavy.
Tsiferana R.




