Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Jiolahy efatra indray lavon’ny polisin’ny Fip

Nisento tokana indray ireo mponina ao Toamasina taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy efatra raindahiny, afakomaly. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy.

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Andranomadio, Toama­si­na parisela 11/43, afakomaly alina, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Fip notarihan’ny kaomisera Lapely François, sy ireo jiolahy raindahiny. Mpanendaka sy mpamaky trano ao an-tse­nan’Ambodi­volo sy ny manodidina, hatrany amin’ny fokontany Andra­nomadio, ry zalahy ireto. Vao tapa-bolana lasa izay, tokantrano enina indray lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy. Ma­noloana ny fitarainana nata­on’ireo niharan’ny fa­nafiha­na, nametraka vela-pandrika ny polisy, nanomboka ny alarobia hariva teo. Na­hitam-bokany izany satria sa­rona tao anaty fandrika nataon’ny polisy ireo jiolahy niaraka tamin’ny antsibe. Raikitra ny fifanjevoana satria nitsoaka ireo jiolahy telo raha vao nahita ny polisy. Tsy naharesy tosika ny polisy ry zalahy ka lavon’ny bala ny jiolahy efatra. Eo am-pikarohana ny naman’ireto efa-dahy voatifitra ireto kosa ny mpitandro fi­laminana. Nohamafisin’ny kaomisera Lapely François, fa mitohy ny fisafoana sy ny fidinana ifotony amin’ireo faritra mena ao Toamasina. Misy koa ny paikady manokana nataon’ny polisy amin’ny alalan’ny fametrahana ireo na­many manao fanamiana sivily mody alefa irery milalao finday eny an-dalana. Toy ny fomba mahazatra ny fianakaviany hatrany, roa ta­min’ny vadin’ireo jiolahy na­nitrikitrika tao amin’ny Hopi­talibe Toa­masina fa tsy jiolahy velively izy ireo.

Sajo/J.C

Partager sur: