Norobain’ny jiolahy maherin’ny folo nitondra basy sy famaky ny taksiborosy iray tao Soanatao, fokontany Ambohimanarivo, kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly maraina. Taksiborosy mitondra mpandeha avy any Ambovombe Androy nikasa hihazo an’Antananarivo io lasibatra io. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo lehibe teo afoavoan-dalana ny fiara. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Tsy afa-nihemotra intsony ny mampily rehefa voaambana fitaovam-piadiana. Namoaka ny vola teny aminy nitetina 4 hetsy Ar. Nasesin’ireo mpandroba koa ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Voaroba vola mitetina 4 tapitrisa Ar tamin’ireo mpandeha. Nalain’ireo tsy mataho-tody ny finday. Tsy vitan’io, nidaroka ireo jiolahy. Vokany, olona miisa dimy naratra. Nentina nanaraka fitsaboana tao Ambohimahasoa izy ireo, omaly. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy ireto farany. Miantso ny fitondram-panjakana, indrindra ireo mpitandro filaminana, hanamafy ny fanaraha-maso amin’iny lalam-pirenena fahafito iny ireo mpivezivezy.
Tsiferana R.




