Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa mitam-piadiana. Lavon’ny bala teny Ankasina, ny marainan’ny alakamisy 24 jolay teo izy ireo. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny tato ho ato. Mampiasa sabatra sy fitaovam-piadiana mihitsy ireo mpanao ratsy. Nanao hetsika manokana hisorohana io tsy fandriampahalemana io ny ekipan’ny Unité d’intervention rapide (UIR) sy ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI). Nalefa nisafo anaty elakelan-trano ny polisy manao fanamiana sivily. Notetezina ny faritra voasokajy ho fandalovan’ireo mpanao ratsy. Nifanena tamin’ireo mpanendaka vao mangirandratsy ny polisy. Nitondra sabatra ireo roa lahy ka nikasa hamely ny mpitandro filaminana. Lavon’ny basy vokatr’io ireo jiolahy. Nahatrarana sabatra lavalela teny amin’ireto farany. Marihina, miasa andro aman’alina misambotra ireo mpanao ratsy eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra ireo faritra voasokajy ho faritra mena, ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




