Lakandranon’i Pangalana : Havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka

Anisan’ny lakandrano lava indrindra eto Madaga­si­ka­ra i Pan­ga­lana, izay mampifandray faritra telo, ny faritra Atsinanana, Fi­to­vinany ary Atsi­mo atsinanana.

Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Ma­hatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manan­gareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina ka hatrany Farafangana. Mirefy 430 km kosa raha hatreo Mananjary. Ampiasan’ny mpitatitra matetika ny avy eo Toamasina mankany Mananjary na Mahanoro – Mananjary vokatry ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomamy makany Fara­fangana, izay noho ny loto sy ny hamarivon’ny rano.
Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ ireo mpitatitra no nahalalana fa anisan’ny sarotra ho azy ireo ny eo Ambodivotaka, kaominina am­banivohitra Masomeloka, disitrikan’ i Mahanoro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Vohipeno sy Farafangana faritra atsimo atsinanana. Amin’ ireo faritra voalaza ireo, tsy ampy iray metatra akory ny halalin’ny rano ka voatery tsy maintsy hampidinina ny mpandeha mba ho maivana kokoa ny sambo. Zava-doza anefa izany matetika ka tsy maintsy mitady vahaolana mba hivoahan’ny sambo. Tanjona ny hahafahana manohy ny dia. Amin’ny ankapobeny, anisan’ny havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka ny fitaterana amin’ iny lakandrano iny. Hitan’ny mpanjanatany frantsay izany ka nohavaoziny tamin’ny alalan’ny tetikasa lehibe ny taona 1896 -1904, izay fanavaozana ireo lakandrano rehetra mifandray amin’i Pangalana. Nisy ireo frantsay nanampy tamin’ny asa fanamboarana fa ny Malagasy kosa dia tamin’ny alalan’ny asa an-terivozona no nanaovana izany.

Manana herijika

Manana herijika ara-toekarena sy lafiny fitaterana ary fizahantany ny lakadranon’i Pangalana noho izy mifandray amin’ny ranomasina. Nampiasain’ny mpanjanaka nitanterana andevo sy vokatra an-tanety maro isan-karazany sy harena ambanin’ny tany sy an-dranomamy ary an-dranomasina izany.
Toerana manan-danja amin’ny fizahantany ny mo­rontsiraka andalovan’ny la­kandranon’i Pangalana. Tsy lavitra ranomasina izay tena mampiavaka azy, toa an’i Toamasina, Andranokoditra, ary Akanin’ny Nofy izay ahitana faritra arovana atao hoe “Palmarium reserve” misy Aye-aye sy Lemuriens. Maro ny mety mampisy fiovana ny anaran’ny Pangalana. Toy ny fahitana renirano roa lehibe samy hafa dia Rasoabe sy Rasoamasay, ireto farany izay tena be fady. Fotoam-pialantsasatra moa izao ka tsara ihany ny manamarika izany ho an’ ny mpizahatany sy ny mpitsangatsangana eny amoron-dranomamy mba tsy ho azon-doza. Mbola amin’izay fizahantany izay ihany dia tsy diso anjara amin’ izany ny ao Ambila Lemaitso, Manamba­to, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro izay malaza amin’ny fisian’ny trano fandraisam-bahiny amoron-dranomasina sy ranomamy misy torapasika sy “Bungalow” ary toeram-pilalaovana isan-karazany. Tsy latsa-danjan’izany ihany koa ny ao Nosy varika. An­koatra ny fisian’ny karazam-biby arovana sy ny ala, vakoka mirakitra fahalalana ny tantaran’ny foko Antambahoa­ka sy fomba amam-panao io Nosy io. Nahatonga renivohitra ara-pomban-drazana an’ i Nosy Varika ao an-toerana ny fomban-drazana fanao isaky ny fito taona na koa hoe Taon-joma (Année Venus), izay hanamafisana ny fanaladiana tanteraka ny ankizy lahy na efa olon-dehibe aza amin’ny alalan’ny fora na fandrangitana mahalehilahy (Rites d’Initiation). Amin’ny ankapobeny, azo lazaina ho fifamoivoizan’ny fizahantany sy mpizahatany ny lakandranon’i Pangalana, tsy maharaka mantsy ny sambo na lakana misy maotera miisa 300 eo ho eo mitatitra olona rehefa ton­ga ny fotoan’ny “Sam­batra”, izay atao isaky ny fito taona ao Mananjary. Ankoatra ny maha fifamoivoizan’ny fizahantany ny lakandranon’i Pangalana, haingana kokoa ny fahatogavana. Raha ho any Mananjary ohatra, tratra alina indroa an-dalana vao tonga raha miala avy ao Toamasina manaraka gondorao, fa raha mandeha lakana manaraka Pangalana dia 24 ora monja ka ao Nosy Varika no matory, raha ilain’ny mpandeha izany.

Trafikana zava-mahadomelina sy fitaovam-piadiana

Mandrafitra ny morontsi­rak’i Madagasikara ary afaka mampifandray renirano maro ny lakandranon’i Pangalana. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona raiamandreny iray tao Vatomandry ary mbola nisy nanamafy koa tao Mahanoro, lasa fivezivezen’ny mpanao trafika maloto izy io amin’ izao, toy ny fitaterana taolam-paty, zava-mahadomelina ary fitaovam-piadiana mihitsy noho ny fisian’ny baranahina eo amin’ny seranana, indrindra amin’ ireny fiantsonana madinika ireny “embarcadera”. Nohamafisin’ ireto raiamandreny ireto fa lasa varavarana ifandraisana malalaka avy amin’ny sambo lehibe avy any ivelany mitondra zavatra tsy ara-dalana na koa hanondranana zavatra tsy ara-dalana avy eto amintsika ny lakandranon’i Pangalana noho izy misy fifandraisana akaiky amin’ny ranomasina sy ireo renirano maro be manerana ny Nosy. Tsy hitan’ny mpitandro filaminana izany kanefa dia avy amin’ io ny lakandrano io ny fitanterana an’ ireny Cocaïne sy Héroïne hatramin’ny rongony vao tonga any an-drenivohitra, hoy hatrany ireo nanaiky noresahina. Fa amin’izay lakandranon’i Pangalana izay ihany, tsy voakarakara sy maloto ity lakandrano manana ny tantarany amin’ny lafin-javatra maro eto amintsika ity ankehitriny, raha tsy ilaza ny hita etsy amin’ny port Fluvial Manangareza, izay feno menaka sy loto avy amin’ ireo orinasa manamorona azy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: